FAMBOLEN-KAZO 2024 - DGCF MANEFA NY ADIDINY AMIN’NY FANAMAITSOANA AN’I MADAGASIKARA



𝐙𝐨𝐦𝐚 𝟐𝟑 𝐟𝐞𝐛𝐫𝐨𝐚𝐫𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟒 ___ Nanatanteraka fambolen-kazo teny Lohalambo, fokontany Amboanjobe, Commune Rurale Bongatsara ny avy eto amin'ny Direction Générale du Contrôle Financier Madagascar


Manamarika ny fandraisan'ny 𝐃𝐆𝐂𝐅 anjara amin'ny fanamby lehibe napetraky ny fitondram-panjakana ny 𝐡𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐚 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧'𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 izany, araka ny nohamafisin'ny Tale Jeneralin'ny Contrôle Financier, Inspecteur Général d'Etat RASAHAVELO, tamin'ireo mpiara-miasa aminy.


Zanakazo karazany efatra - 𝐟𝐫ê𝐧𝐞, 𝐚𝐜𝐚𝐜𝐢𝐚, 𝐛𝐚𝐦𝐛𝐨𝐮, 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐨 🌱- no novolena ary ny avy ao amin'ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy no nitondra ny toromarika fambolena ny hazo. Nanotrona ny fianakaviamben'ny Contrôle Financier nandritra io fambolen-kazo io ny Ben'ny Tananan'ny Commune Rurale Bongatsara, ramatoa RABEARISOA Annick Hantanirina, sy ireo mpiara-miasa aminy.


" 𝐅𝐀𝐌𝐁𝐎𝐋𝐄𝐍-𝐊𝐀𝐙𝐎 : 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐍𝐓𝐎𝐋𝐎 𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐌𝐄𝐋𝐎𝐍’𝐀𝐈𝐍𝐀 "