π…πšπ«π’π­π«πš BONGOLAVA ___ 𝐀𝐀𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐭𝐬𝐒𝐀𝐚 'πŸ”πŸ“ 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐃𝐆𝐂𝐅' 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ôπ₯𝐞 π…π’π§πšπ§πœπ’πžπ«



Notanterahina ny 𝘡𝘒𝘭𝘒𝘡𝘒 13 𝘒𝘰𝘨𝘰𝘴π˜ͺ𝘡𝘳𝘒 2024 teo ny hetsika fankalazana ny faha 65 taona nijoroan'ny ContrΓ΄le Financier ho an'ny faritra BONGOLAVA.

Famelabelarana arahina fifanakalozan-kevitra #ConfΓ©renceDΓ©bat sy varavarana misokatra izay natrehan'ireo tompon'andraikim-panjakana sy mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana any an-toerana no nanamarihan'ny avy ao amin'ny DΓ©lΓ©gation RΓ©gionale du ContrΓ΄le Financier #DRCF_BONGOLAVA izay tarihan'Andriamatoa RAKOTONIAINA Solofo Haja izany.

Araka ny tanjona fototra napetraka mandritra ny fankalazana ny faha 65 taonan'ny DGCF amin'ity taona 2024 ity moa dia nivoitra hatrany nandritra ny hetsika ny fampahafantarana ny ContrΓ΄le Financier πŸ‡²πŸ‡¬ sy ny anjara biriky entiny ho fampandrosoana ny firenena.