𝐏𝐨π₯𝐒𝐭𝐒𝐀𝐚 π€π§πšπ­π’π§π² 𝐈𝐚𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 𝐊𝐨π₯𝐒𝐀𝐨π₯𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐒𝐯𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 π“π¨πžπ€πšπ«πžπ§πš 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π…π’π­πšπ§π­πšπ§πšπ¦-𝐛𝐨π₯𝐚/𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ôπ₯𝐞 π…π’π§πšπ§πœπ’πžπ« __ DRCF ATSINANANA



Araka ny voasoritra ao amin'ny β€˜ππ¨π₯𝐒𝐭𝐒𝐀𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐒𝐧𝐲 𝐒𝐚𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚 πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐀𝐨π₯𝐒𝐀𝐨π₯𝐲 - πŸπŸŽπŸπŸ’β€™ eo anivon’ny ContrΓ΄le Financier dia anjaran’ny Delegasionim-paritry ny ContrΓ΄le Financier #DRCF_ATSINANANA indray no nisitraka ny atrikasa niarahana amin’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly (BIANCO) ny alarobia 11 septambra 2024 teo.

βœ”οΈ Anisan'ny nivoitra nandritra ny atrikasa ny fampahafantarana ireo fandikan-dalΓ na kolikoly araka ny lalΓ na 2016-020 sy ireo endrika kolikoly matetika mitranga any amin’ny faritra Atsinanana.

βœ”οΈ Nanamarika manokana ny fotoana kosa ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampizarana ireo fomba fanao tsara teo amin’ny roa tonta izay nifanolo-tanana ny handrindrana ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny #DRCF_ATSINANANA