Guides Pratiques aux usagers
- Décret n°2026-1256 Modifiant et complétant certaines dispositions du Décret 2008-668 portant régime de déplacement
- Circulaire n°02/2026-MEF/SG/DGBF/DPE
- Arrêté n°24235/2026 Fixant le taux des indemnités de déplacement temporaire auprès des villes en pôle de croissance
- Circulaire n°055 MEF portant préparation CDMT 2024-2026, décret n°2023-255 du 15 mars 2023 portant GIP, Manuel GIP du 31 mars 2023
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
| Nb Visiteurs | |
|---|---|
| Total | 395140 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
.png)
|
Fanadiovana ny fitantanana ny fananam-panjakana
Amin’izao fotoana izao ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia miroso amin’ny fanatsarana sy ny fanadiovana ny fitantanana ireo fananam-panjakana. Isan’izany ny mikasika ny fiara sy ny tranom-panjakana. Ao anatin’izany ezaka izany indrindra no nirosoana tamin’ny fanisana ankapobeny azy ireny. Raha ny mikasika ny tranom-panjakana manokana, dia maro ireo mpiasam-panjakana sy ireo olona manam-pahefana ambony izay nomen’ny Lalàna zo hipetraka amin’ny tranom-panjakana noho ny andraikitra izay sahaniny. Tsy natao homena azy mandrakizay anefa izy ireny fa mandritra ny fotoana voafetra ihany. Ka rehefa mitsahatra amin’ny andraikitra izay sahaniny ilay Tompon’andraikitra ao amin’ny Andrimpanjakana iray, dia tokony hiala amin’ilay trano, ka hamerina ny fanalahidiny amin’ny Fanjakana. Raha raisina ohatra ny mikasika ireo Minisitra, dia araka ny Didim-panjakana laharana 2011-065 tamin’ny 19 aprily 2011, dia tsy maintsy miala amin’ny tranom-panjakana izy ireo telo volana taorian’ny Didim-panjakana nanesorana azy ireo tsy ho mpikambana ao amin’ny Governemanta intsony. Torak’izany koa ireo Lehiben’ny Andrimpanjakana toy ny Praiminisitra, ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana. Araka ny Didim-panjakana laharana 2016-075 tamin’ny 04 febroary 2019, dia tokony hiala amin’ny tranom-panjakana enim-bolana taorian’ny fiafaran’ny fotoam-piasany izy ireo. Isan’ny fanadiovana imasoan’ny Minisitera miandraikitra ny Fitantanana ny Fananamp-panjakana ny fampanarahana ireo Lalàna manan-kery eto amin’ny Firenena ireo mba hampanjakana ny tany tan-dalàna sy mba hisian’ny fitantanana araka ny tokony ho izy ny fananam-bahoaka. |












