.

Fanentanana sy fanomezana fanazavana bebe kokoa ny Mpiara-miasa eto amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola mahakasika ny CORONAVIRUS

 

Manoloana ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus sy ny voka-dratsy aterak’izany tsimokaretina izany dia nanatanteraka fanentanana ho an’ny mpiara-miasa eo aminy ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny tompon’andraikitra mitantanana izany Ministera izany. Nampahafantarina tamin’izany ny fisehon’ny aretina, ny fotoam-pitomboany, ny fomba fifindrany ary ireo torolàlana entina isorohana izany aretina mety ahatonga fahatesana izany.

Nandritra ny fotoana natokana nanentanana ireo Mpiara-miasa, dia nisy ny fanazavana am-bava nataon’ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana eto anivon’ny Ministera. Ho fanampin’izay dia nametraka fanontaniana ireo mpiara-miasa tonga marobe nanatrika teny amin’ny Plan Anosy.

Nisy ihany koa takelaka, amin'ny teny malagasy sy teny frantsay, novokarina teo amin’ny Ministera mirakitra sy mamintina ny mahakasika izany tsimokaretina izany nozaraina tamin’ireo rehetra liana ka nanatrika tao.

 

 

Plan du site ::