Guides Pratiques aux usagers
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs | |
---|---|
Total | 517186 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
Antenimieram-pirenena : Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola 2021
Nolanian’ny Solombavam-bahoaka miisa 97 tonga nanatrika ny fivoriam-be teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna laharana 016/2020 mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021 rehefa nasiam-panitsiana. Raha ny voarakitra ao anatin'ity lalàna ity dia tombanana ho 4,5% ny tahan'ny fitombon'ny harin-karena faobe ho an'ny taona 2021. Nitondran’ny Solombavam-bahoaka fanintsiana kosa ny mahakasika ny fanafoanana ny hetra alaina amin'ny tataom-bidy (TVA) eo amin’ny famarotana volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Izany no natao dia mba ho fanamafisana ny fananganana ny tahirin’ny volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara.
|