.

Fananganana tranoben’ny Toe-karena sy Fitantanam-bola ao Taolagnaro

 

Anisan’ny hisitraka fanamboarana tranoben’ny Toe-karena sy Fitananam-bola ny eto Taolagnaro manomboka ity taona ity ka hitohy amin’ny taona 2021. Efa nanana tany hanaovana izany moa ny Ministera fa araky ny tapaka niarahana tamin’Atoa Praministra dia ho ampiarahana amin’ny foto-drafi-trasa rehetra ho atsangana eny amin’ny « tanàna vaovao –nouvelle ville » ilay tranobe. Hifindra eny noho izany ilay toerana ka nanolotra tany ho amin’izany ny Governoran’ny Faritra. Efa tazana manomboka ao an-toerana rahateo ny fanamboarana làlana pavé manokatra makany amin’ilay toerana vaovao. 

Anio talata 08 desambra 2020 dia niaraka nidina ifotony mijery ny toerana ny Governoran’ny Faritra sy Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera, niaraka tamin’ireo sampan-draharaha rehetra eto Taolagnaro. Hanomboka afaka andro vitsy araka izany ny fanamboarana. 

Plan du site ::