.

Fanamafisana ireo fitsipi-pitondran-tena amin'ny maha mpiasampanjakana niarahana tamin'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy Fitantanam-bola teto Taolagnaro

 

Manararaotra ny fandalovana teto Taolagnaro ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera hanamafisana hatrany ny voalazan’ny didim-panjakana laharana faha 2003-1158 tamin’ny 17 desambra 2003 mikasika ny fitsipika fitondran-tenan’ny mpiasam-panjakana, indrindra ho an’ireo mpiasa sahanin’ny Ministeran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola eto Taolagnaro. 

Ny talata 08 desambra 2020 maraina no nanaovany ny fizarana ireo andinin-dalàna mifehy ireo fitsipi-pitondran-tena ireo. Nambarany fa « raha te hanova an’i Gasikara isika dia  tokony manomboka amin’ny fanovana ny tenantsika aloha. Ny fampandrosoana an’i Gasikara mantsy dia tsy afaka misaraka amin’ny fanatsarana ny fitondran-tena entina manompo ny firenena ». Raisina am-pamendrehana sy am-pahamarinana ireo olompirenena misitraka ny asan’ny Ministera rehetra. 

Narahana adi-hevitra izany resaka izany ka nandray anjara mavitrika ireo mpiara-miasa nanatrika tao, izay nahitana ireo mpiasa avy amin’ny samparandraharaha rehetra : ny hetra, ny fadintseranana, ny misahana ny teti-bola, ny misahana ny karama sy fisotroan-dronono, ny mpanara-maso ny vola, ny mpanara-maso ny tsenambarom-panjakana, ny tahirim-bolam-panjakana. 

Fotoana ihany koa tao nandraisan’ny ramatoa Sekretera Jeneraly ny toe-javatra izay manahirana ireo mpiara-miasa sy ihany koa ireo hetaheta ampitainy amin’ny Mpitondra. 

Plan du site ::