.

Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola : Nanolotra fiara tsy mataho-dàlana miisa 6 hampiasain'ny "Centre de Coordination Opérationnelle contre le Kere"

Ho fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny kere dia nampindrana fiara tsy mataho-dàlana miisa 6 hampiasain'ny "Centre de Coordination Opérationnelle contre le Kere" ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola ho fanafainganana ny asa izay hotanterahina any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy.

Teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo no nanatontosàna ity fanolorana ity izay natao teo ambany fiahian'Atoa NTSAY Christian, Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta. Nandray ireo fiara amin'ny anaran'ireo mpikarakara amin'ity ady ity moa ny Jeneraly RAKOTONIRINA Richard, Ministry ny Fiarovam-pirenena, raha toa ka Atoa Richard RANDRIAMANDRATO, Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanambola no nisolo tena ny ministera mpanolotra.

Marihina fa hanainga amin'ity herinandro ity avy hatrany ireo fiara ireo izay vao avy natao fikojakojàna ilaina amin'ny hasarotan'ny lalàna sy ny toerana any.

Plan du site ::