.

Fifanarahana sy Programa vaovao miaraka amin’ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena (FMI)

amin’ny Facilité Elargie de Crédit (FEC)

 

Ho fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena (FMI), dia nisy ny fifampidinihana niompana amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana ny programa ara-toekarena niarahan’ny roa tonta. Notanterahana izany tamin’ny alalan’ny fivoriana virtoaly nanomboka ny 18 janoary ka hatramin’ny 12 febroary 2021.  Ny iraka avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena dia notarihin’i Charalambos Tsangarides izay Lehiben’ny Iraka ho an’i Madagasikara. Nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny Praiministra Christian Ntsay, ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato, ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Henri Rabarijohn, ireo tompon’andraikitra ambony maro hafa, ny mpiara-miombon'antoka amin'ny fampandrosoana, ny sehatra tsy miankina ary ny solontenan'ny firaisamonina sivily.

Raha fehezina dia tontosa soa aman-tsara ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Iraka avy amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy ny fitondram-panjakana momba ny fandaharan’asa vaovao ao anatin’ny fe-potoana voafaritra izay hotohanan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, mitentina 320 tapitrisa dolara ao anatin’ny Facilité Elargie de Crédit (FEC).

Voamarika nandritra ny fihaonana fa vokatry ny valan'aretina COVID 19 dia niato ny fizahan-tany, nihena ny fanjifana ankapobeny ary nilatsaka ny fanondranana entana indrindra teo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy teo amin’ny famokarana lamba sy akanjo. Heverina noho izany fa manodidina ny 4,0% ny fidinan’ny harikarena faobe  hoan’ny taona 2020. Ny tetibolam-panjakàna no tena voadona noho ny  fihenan’ny hetra niditra ka nitondra fatiantoka teo amin’ny toe-danja anatiny manodidina ny 3,0% hoan’ny 2020 raha toa ka nisy ny tombony tamin’ny 2019. Nisy koa noho izany ny fihitaranan’ny fatiantoka teo amin’ny toe-danja ivelany manodidina ny 6,0%n’ny harikarena faobe. Ny famantsiam-bola azo avy tamin’ny Facilité de Crédit Rapide (FCR)  tamin’ny volana Aprily sy Jolay 2020, sy ny fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia nahafahana nameno ireo filàna ara-bola sy nampihatra ireo fepetra tokony noraisina. Misy kosa nefa ny famatsiambola ivelany sy ara-tetibola izay tena mbola  ilaina an’ivoezaka.

Mifantoka amin’ny fampihenana ny fahantrana sy ny fanohizana ireo ezaka fampitomboana ny harikarena, ary koa amin’ny asa fanarenana tao aorian’ny valan'aretina COVID 19 ny programa-panjakana ivoezaka. Ary miainga avy amin’ny laharam-pahamehana izay voafaritra ao anatin’ny Plan Emergence Madagascar (PEM). Noho izany, mba hanohizana ny ezaka fanarenana, napetraka ho tarigetran’ity programa vaovao ity ny fampitomboana ny tetibola-panjakana bebe kokoa ho amin’ny fandaniana ara-tsosialy sy ara-pamokarana, ary ny fanohizana ireo fanitsiana ara-drafitra. Anisan’izany ny fanatsarana ny fanaraha-maso ny ara-bola sy ny famariparitana ny ara-bola, ary koa ny fanatsarana ny fitantanana. Ny famatsiana ara-bola ataon’ny Tahirim-Bola Iraisampirenena dia hantenaina koa hampiroborobo ny fampiasam-bola ataon’ireo tsy miankina, ary indrindra  hampavitrika ireo mpiara miombon’antoka hafa, mba hanohy ny  fanohana ara-bola an’i Madagasikara.

Ny politika ara-tetibolan’ity programa ity dia heverina fa hampitombo ny fampidiram-bola-panjakana anatiny. Hisy noho izany ny paikady mazava apetraka amin’ny fanatsarana ny fampidiram-bola-panjakana sy ny fitantanana ireo rafi-panjakana mpampidibola mba hahatratrarana ny tanjona ara-ketra an’ivoezaka. Natao izany mba ahafahana mampiakatra ny tetibola atokana amin’ny sehatra sosialy, indrindra ny Fahasalamana sy Fanabeazana, ary koa  mba hanitarana ny fampiasam-bola panjakana bebe kokoa ka tsy hisy fiantraikany amin’ny trosam-panjakana. Ny fandaniam-bola-panjakana dia hatsaraina amin’ny alalan’ny famerana ny famindram-bola alefa ho  amin’ireo orinasam-panjakana, sy amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fitantanana ny karama sy ny fisotrodrononon’ireo mpiasa-panjakana.

Tafiditra anatin’ity programa ity ihany koa ireo fanatsarana ara-drafitra, hifantoka amin’ny fanalefahana izay tandindon-doza mety hiantraika amin’ny tetibola. Anisan’izany ny loza ara-voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetrandro. Ho ampiarina ilay paikady fanarenana ny orinasa ananan’ny fanjakàna petra-bola. Ny Fanjakana koa dia hamaritra ny vidin-tsolika amin’ny tokony ho izy mba tsy hisian’ny fitomboan’ny trosam-panjakana amin’ireo orinasa mpanafatra solika.

Ny tanjon’ny fitondram-panjakana dia ny hanohizana ireo fanavaozana manan-danja izay napetraka ho fanamafisana ny rafitra politika momba ny vola hahatrarana ny zava-kendrena , hampitombo ny fahombiazana eo amin’ny tsenan’ny fifanakalozam-bola ivelany, hanamafisana ny fitoniana sy ny fampandrosoana eo amin’ny sehatra ara-bola, ary hampiroborobo ny fampidiram-bola.

Ny fanatsarana ny fitantanana amin’ny  fomba mahomby hampiharina ny rafitra ara-dalàna miady amin’ny kolikoly, ny fanokanana olona hiasa sy loharanom-bola ho an’ireo andrim-panjakana miadidy ny ady amin’ny kolikoly , no fanalahidin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa sy hisarihana ny fampiasam-bola tsy miankina. Ny fanatsarana ny fitantanana ny volam-panjakana, anisan’izany ny fangaraharan’ny tetibola, dia zava-dehibe ihany koa. Ilaina ny fandrosoana miandalana  amin’ny famoahana vaovao momba ny fampiasana vola hanalefahana ny fiaintraikan’ny valan'aretina COVID-19,  izay mifanaraka amin’ny efa ataon’ny Governementa.

 

 

 

 

 

Plan du site ::