.

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon'ny Ambasadaoro vaovaon'ny Firenena Rosiana  

Tonga nitsidika ara-pomba fanajàna ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny Ambasadaoro vaovaon’ny firenena Rosiana, Andriamatoa Andreev Andrey Vladimirovich, izay miasa sy monina eto Madagasikara.

Fihaonana ara-pomba ofisialy voalohany nahafahan’ny roa tonta nifanatri-tava ary indrindra nahafahan’izy ireo nanao jery todika ny fiaraha-miasa misy sy ireo an-dalam-panomanana eo amin’ny Fanjakàna Rosiana sy Malagasy. Samy nanamafy moa ny rehetra nandritra izany amin’ny fahavononana amin’ny fitandroana sy fanatsaràna izany fiaraha-miasa izany eo amin’ny firenena roa tonta.

 

Plan du site ::