.

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Ambasadaoron’ny Etazonia

Tonga nitsidika ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Andriamatoa Richard Randriamandrato ny Ambasadaoron’ny Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Michael Peter Pelletier.
Fihaonana izay nentina nanamafy ny fiaraha-miasa efa misy eo amin’ny  firenena roa tonta sy izay mbola eo andalam-panomanana. Nohamafisin'ny rehetra ny fahavononana amin’ny fitandroana sy fanatsaràna izany fiaraha-miasa izany. Marihina moa fa tonga nanotrona tao ihany koa Andriamatoa Tobias Glucksman izay Mpanolotsaina Voalohan'ny Masoivohon'i Etazonia eto Madagasikara.


(De G à Dr) Atoa Tobias Glucksman, Atoa Michael Peter Pelletier, Atoa Richard Randriamandrato.

 

Plan du site ::